Sakana roa lehibe no miandry ny Barea, vao misokatra ho azy ireo ny «Mondial 2026». Miandrandra vokatra tsara amin’ireo lalao roa hifanandrinana amin’i Comores, sy i Mali, ny Malagasy.
Afaka dimy andro, hianoka lalao baolina kitra indray ny Malagasy mpankafy. Ny 8 oktobra ho avy io, any Côte d’Ivoire, hifandona amin’ny ekipa nasionaly malagasy i Comores. Fihaonana izay tafiditra amin’ny fifanintsanana “Mondial 2026”. Ny 12 oktobra kosa, any Mali, hifanandrina amin’ny Aigle de Mali, ny barean’ny Madagasikara. Kihon-dalana lehibe, mbola misakana ny Barea tsy ho any amin’ny fifaninana maneran-tany ireo lalao roa ireo.
Raha mahita fandresena amin’ireo ny Malagasy, azo antoka ny hanaovany lalao sakana iraisam-pirenena. Manify kosa ny fanantenana amin’ny hahazoana ny tapakila mivantana amin’ity fifaninanana goavana maneran-tany ity. Araka ny fikarohana natao, mbola mitana ny laharana voalohany i Ghana, manana isa 19, faharoa ny Barea, isa 16, fahatelo i Comores, isa 15 ary fahaefatra i Mali, isa 12. Raha mandresy indroa amin’ireo lalao roa farany ny ganeanina, tafita avy hatrany any amin’ny Mondial izy ireo.
Raha tsy misy ny fiovana, hanainga ny sabotsy izao, ho any Côte d’Ivoire, ny Barean’i Madagasikara.
Malahelo ve?
Tsy voaantso ao anatin’ny ekipam-pirenena Barea A moa i Sonny Laiton sy i Demoleon. Samy tsy mahafantatra ny maro, raha ilay tsy voaantso ve nahatonga ilay hafatra mandeha anaty tambajotran-tserasera. “Mora manadino izy ireo, fa mbola hahatsiaro..”, hoy i Sonny Laiton. “Tsy anaty lisitra ihany, saingy mampahery ireo rahalahy rehetra amin’io lalao roa farany io, hoy indray i Demoleon.
Fitia Randria




