Handray ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3, ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 5 hatramin’ny 7 desambra izao. Ekipa 14 eo amin’ny sokajy lehilahy sy ekipa 10 eo amin’ny vehivavy no voasoratra anarana ao anatin’ny fandaharam-potoana, ao amin’ny Fiba. Ho avy eto Madagasikara avokoa ireo ekipa afrikanina ireo, raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany. Ho an’ny Ankoay, manatevina ny fanomanan-tenany ny ekipa lahy sy vavy, amin’izao fotoana izao. Ny hitazona ny anaram-boninahitra izay norombahin’izy ireo tamin’ny taona 2024 no tanjona. Tsiahivina fa pao-droa no azon’i Madagasikara tamin’ny “Africa Cup 3×3” taona 2024. Efa nahazo izany anaram-boninahitra izany ihany koa ny Ankoay, lehilahy, tamin’ny taona 2022. Tsy mora ny hiatrika ireo mpifanandrina amin’ity, mafy avokoa izy ireo, anisan’izany i Algérie, Égypte, Botswana , Bénin. Eo amin’ny vehivavy kosa, anisan’ny mpifanandrina mafy i Bénin sy i Egypte. Na eo aza izany, vonona ny ekipa malagasy ny haka fandresena ary manomana mafy. Hatreto, tsy mbola misy aloha ny fiovana amin’ny fandaharam-potoana rehetra, na eo aza ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Federasionina malagasin’ ny basikety.
Mi.Raz




