Namoaka fampahafantarana tao amin’ny tambajotran-tseraserany, ny alarobia lasa teo, ny tale teknika nasionaly sy ny kaomision’ny mpitsara eo anivon’ny Malagasy Rugby fa misy ny fitsipika vaovao ho an’ny taom-pilalaovana 2025/ 2026. Maro ny miova ary tsy maintsy ampiharina manomboka amin’ny fifaninanana manaraka eo. Ampahany ihany no hany hatolotra eto, araka ny lalàna iraisam-pirenena. Anisan’izany ny fomba ataon’ireo mpitondra rano, izay mahazo alalana miditra ny kianja aorian’ny baolina voatsindry. Toy izany koa ny toerana ahazoan’ny mpilalao misotro rano. Eo koa ny fe-potoana hitsarana baolina, izay maharitra 60 segondra. Ankoatra izay, ny resaka “plaquage”. Tokony hijoro hatrany ny mpanakana fa tsy azo atao intsony ny mandohalika na miondrika toy ny teo aloha. Toy izany koa ny mpitondra baolina, tsy afaka mitsambikina miala amin’ny mpanakana. Voakasik’izany koa ny “ruck”. Eo koa ny “maul” sy ny resaka fanipazana ny “touche”. Voaresaka betsaka amin’ny fanovana vaovao koa ny “mêlée” sy ny famoronana izany ao anatin’ny 30 segondra, aorian’ny marika ataon’ny mpitsara. Raha misy ny “mêlée”, tsy mahazo mihoatra ny faritra manasasaka izany ny “demi de mêlée”, tsy misy baolina. Mbola hisy ny fampahafantarana ity lalàna ity ho an’ireo fileovana rehetra, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra.
Tompondaka




