Raha ny zava-misy amin’izao fotoana, mihanaka sy manjaka ny karazana herisetra amin’ny endriny samihafa. Ho an’i Madagasikara manokana, karazana herisetra tena manjaka sy hita eny anivon’ny fiarahamonina ny herisetra ara-batana, ny ara-nofo, toy ny fanolanana ao an-tokantrano, na fanerena hanao firaisana ara-nofo.
Nankalazaina, omaly, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tsy fankasitrahana herisetra (International Day of Non-Violence). Andro iray natokana hanentanana sy hanandratana ny soatoavina miorina amin’ny fandriampahalemana, fifankatiavana, fa indrindra ny tsy fanaovana herisetra amin’ny endriny rehetra izy io.
Manjaka eny anivon’ny fiarahamonina ny herisetra, toy ny vono olona sy ny fanolanana; ny herisetra ara-tsaina na ara-moraly, toy ny fanendrikendrehana, fandrahonana, fanaovana teny mahery na teny maharary sy ny maro hafa. Raha eo amin’ny sehatry ny fanambadiana indray, ny fanerena ny zaza tsy ampy taona hanambady olona tsy tiany. Eo koa ny fanararaotana ara-toekarena, toy ny tsy fanomezana vola ny vady aman-janaka sy ny hafa.
Raha eo anivon’ny tokantrano, miseho amin’ny endriny maro ny karazana herisetra, toy ny fampirafesana, ny famonoana, ny fanaovana teny maharary, ny tsy fanomezana sakafo sy vola ho an’ny vady aman-janaka, sy ny maro hafa. Iharan’ireo avokoa na ny vehivavy, na ny lehilahy ao an-trano. Mety hiteraka aretim-po, famonoan-tena sns eo amin’ilay olona lasibatra izany, raha tsy zakany intsony. Amin’ny ankapobeny, ataon’ny vady, zanaka, ray aman-dreny, ary mety ho mpiara-monina ireo herisetra isan-karazany ireo.
Iharan’ny famoretana ny 58% ny mpianatra
700 000 ireo mpianatra iharan’ny herisetra an-tsekoly amin’izao fotoana, raha ny antontanisa navoakan’ny Unicef. Hita any amin’ny ambaratonga ambany ny 12% amin’izany, 10% any amin’ny kolejy ary 4% any amin’ny lycée. Zaza 1 amin’ny 10 isaky ny taom-pianarana no iharan’ny herisetra an-tsekoly, raha ny antontanisa voaray. Voasokajy ho herisetra ara-batana sy ara-tsaina miverimberina izany. 58% ny mpianatra no iharan’ny herisetra any an-tsekoly. 53,7% amin’izy ireo ny ankizivavy ary 46,3% ny ankizilahy, araka ny tatitra navoakan’ny fikambanana Imaso Ivoho Madagasikara. «Mifototra amin’ny fanjakazakana sy fampitahorana ankizy na mpampianatra iray izany. Manampy izany ny fanavakavahana ara-poko, fihomehezana rehefa miteny, fametrahana anaram-bosotra maneso», hoy Rakotonirina Iarivoniana, filohan’ny fikambanana Imasoho Ivoho Madagasikara. Eo ihany koa ny fanararaotana ara-batana, miafara amin’ny fikasihan-tanana isan-karazany. Anisan’izany, ny ompa miverimberina sy ny fanesoana amin’ny endriny hafa.
Tsy fahazakana zava-mahadomelina
Maro ny antony mahatonga ny herisetra eny anivon’ny fiarahamonina. Antony voalohany mahatonga izany ny tsy fahazakana mifoka sy mitsindrona zava-mahadomelina. Tranga iray tena mahazo vahana eto amin’ny Nosy io herisetra azo amin’ny tsy fahazakana zava-mahadomelina io. Eo koa ny tsy fitovian’ny zo eo amin’ny lahy sy ny vavy. Manampy izany ny fahantrana sy ny tsindry ara-toekarena misy eo amin’ny firenena sy ny mponina ao aminy. Etsy ankilany, ny firoboroboan’ny teknolojia sy ny kolontsaina avy any ivelan’ny firenena.
Raha eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana indray, miteraka ratra, fahasimbana maharitra ara-batana na ara-tsaina izany, ary mety hiafara amin’ny fahafatesana mihitsy aza. Misy fiantraikany goavana eo amin’ny lafiny ara-toekarena ihany koa ny herisetra, toy ny fihenan’ny fidiram-bola, fahaverezana asa sy ny antony maro hafa.

Hamafisina ny fifanajana
Manoloana izany, ilaina ny manamafy sy mampiroborobo ny fifanajana eo amin’ny samy olombelona. Ny fifampiresahana am-pilaminana eo amin’ny tsirairay. Fampitsaharana ny ady sy ny herisetra amin’ny endriny rehetra. Fanabeazana ny ankizy sy ny tanora mifanaraka amin’ny soatoavina sy ny fitondran-tena mendrika.
Mba hialana amin’ny herisetra isan-karazany, manana anjara andraikitra goavana ny ray aman-dreny. «Anisan’ny fanabeazana fototra sy sekoly voalohany indrindra ho an’ny ankizy ny tokantrano. Ao no iangain’izy ireo, izay vao mifanerasera amin’ny olon-kafa ivelan’ny trano », hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana Stop harcelement scolaire Madagascar. Nambarany fa sady fitaratra no mananatra ny ankizy ny ray aman-dreny amin’ireo toe-tsaina mendrika tokony hatao, toy ny fitiava-namana, tsy fanilikilihana na fanaratsiana olona. Ankoatra izay, tsy vitan’ny ray aman-dreny irery fa misokatra amin’ny fanabeazana atolotry ny mpampianatra ihany koa izany. Mety hitarika ny ankizy hihidy lava ao an’efitranony ihany koa ny herisetra mahazo azy. « Ny fahatsapana izany no ilana ny fanampian’ny ray aman-dreny tsirairay avy amin’ny fanoroana ny zava-misy marina sy mahitsy amin’ny ankizy », hoy hatrany izy. Namafisiny fa fifanampiana ny fiainana, na inona ny karazam-poko sy volon-kodritra misy eo amin’ny samy olona. Tsy tokony hisy mihitsy ny karazana fanilikilihana sy famoretana amin’ny endriny samihafa mba tsy hahatonga azy ireny hamaly faty any aoriana any.
Nanatontosa : Mino




