Manoloana ny hetsika fidinana an-dalambe ataon’ny mpitolona ho an’ny anio, mikarakara “Coin repos” ho an’ny mpanao gazety midina ifotony sy manaraka ny toe-draharaha ny avy amin’ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety eto Madagasikara (Association des femmes journalistes de Madagascar ) manomboka androany. Misy ny fizarana sy fanampiana ho an’ireo eny an-kianja, toy ny sérum, rano, bisky sy ny maro hafa. Hita etsy Analakely, ampitan’ny Goldenrama ny fizarana, raha ny fanambarana nataon’izy ireo.
Mitaky ny hanaovan’ireo mpanao gazety te hisitraka izany ny karatra manamarina ny maha mpanao gazety sy ny fanamiana ary ny « brassard » izy ireo. Eo am-pandinihana ny zavatra azo atao rehetra ny birao ka mila fifanomezan-tanana.
Mino




