Nanao tombana momba ny fampitaovana ny hopitaly sy ny tobim-pahasalamana ary ny mpiasan’ ny fahasalamana ny ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nisongadina ny vokatra azo noho ny fampitaovana. Nanamarina ny zava-misy ny eny ifotony, miaina mivantana ny fisitrahana izany.
“Anisan’ny imasoan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fahaiza-mitantana, ny fijerena ny maha olona, ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ary ny fahaiza-manao”, hoy ny tale jeneraly misahana ny fampitaovana, Dr Ramarolahy Andriantiaray Rijaniaina. Tafiditra anatin’ izany ny fampitaovana ny toeram-pitsaboana sy ny mpiasan’ ny fahasalamana. Efa natao manerana ny Nosy izany ary vao haingana no nisy fizarana misongadina.

Hopitaly manara-penitra
3 no notokanana ary misy 26 hafa amboarina. Eo koa ny toeram-pandidiana 23 hanatsarana ny fiterahan’ny reny. Hopitaly 10 nametrahana scanner. Fametrahana Générateur d’oxygène 14 naparitaka any amin’ny faritra. Novatsiana fitaovana ny hopitaly manara-penitra miisa 12 eo an-dalam-panamboarana.
Eo koa ny fahazoana fitaovana ho an’ny CSB miisa 1 120, fitaovana vaovao ary efa naparitaka amin’ny CSB manerana ny Nosy.
Nahazo fitaovana ilaina amin’ny laboratoara miisa 126 ny hopitaly rehetra. Manampy ny mpiasan’ny fahasalamana manatanteraka ny tolotra manakaiky vahoaka ny moto. Ny fiara fitaterana marary dia efa manana avokoa ny distrika rehetra manerana ny Nosy. Ankoatra izay, ny Moniteurs de surveillance multi-parametrique miisa 750 sy fitaovana fandrefesana ny fiasan’ny fo na ny ECG miisa 120.
Nisy dokotera 20 mianadahy mpanao fandidiana maika izay nofanina mitsinjara amin’ ny distrika 20. Nahazo fitaovana fitarafana avokoa izy ireo ary nisitraka ihany koa
Boite de chirurgie sy tablette hahafahany mampita ny antontanisa.
Natolotra ny CHU Analankininina, faritra Atsinanana, ny fitaovana fandoroana ny fako medikaly. Natsangana ny laboratoara goavana hijerena ny kalitao ara-pahasalamana ny sakafo miditra eto Madagasikara izay anisan’ny lehibe aty amin’ny Ranomasimbe indianina.
Hisy radiographie numérique miisa 50 hoavy ary hozaraina any amin’ny hopitaly tsy mbola manana izany. Manana Générateur d’oxygène avokoa ny hopitaly manerana ny Nosy. Zava-dehibe ihany koa ny fisian’ny toeram-pivarotana fanafody ilaina maika ao anatin’ny tobim-pahasalamana. Mihatsara ny fitaovana enti-manofana ny paramedy na ny dokotera ary ampanarahana ny fenitra iraisam-pirenena izany. Miofana amin’ny fanatsarana ny fandraisana ny marary ihany koa ireo ekipa eo amin’ny vavahadin’ny hopitaly ary hitohy hatrany izany.
Nanaporofo ny zava-misy eny an-kianja ny talem-paritry ny Fahasalamana ao Alaotra Mangoro, Ramisimamonjy Jean Landry, sy ny ao Amoron’i Mania, Raketamalazamananirina Marie Christiana. 128 ny CSB ka ny 118 amin’ireo manana vata fampangatsiahana avokoa. CSB 111 no efa nisitraka moto. Nisitraka fitaovana mitovy ny hopitaly 4 ao an-toerana. Tsy mba nanana radiographie ny hopitaly taloha fa ankehitriny efa misy izany. Tsy maintsy nalefa tany Ambositra ny fitarafana teo aloha. Nahazo fitaovana ECG sy échographie ary nisitraka fitiliana any amin’ny laboratoara. Torak’izany ny fiara fitaterana marary. Niasa be izany tamin’ireny tranga fanapoizinana ara-tsakafo nitranga ireny. Mamaha olana eny ifotony ny fampitaovana.
Alaotra Mangoro, manana moto avokoa ny CSB ary vory ny fitaovana fitahirizana vaksiny. Ny hopitaly manara-penitra efa manana ny scanner ary iandrasana ny fisokafan’ny hopitaly ny fampiasana izany.
Nanatontosa : Vonjy




