Manentana ny fianakaviamben’ny fanabeazana ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny amin’ny fiatrehana sahady ny fahavaratra. Tokony hambolena ao amin’ny mpianatra ny toetra amam-pihetsika ho fisorohana ny loza. Anisan’izany ny fahadiovana, ny fandrantsanana ny hazo mety hitera-doza. Entanina ny ray aman-dreny sy ny Feffi hihevitra sahady ny fividianana ny kojakoja hahafana manamafy ny fotodrafitrasan’ny sekoly.
Misokatra amin’ny fanomezana tolotra ilain’ny mponina avokoa ireo birao rehetra sy sampandraharaha eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Ireo tera-bao, ireo olona maty,… ilana ny fisokafan’ny birao avokoa ka tsy hisy hikatona ny biraom-panjakana handray ireo mpila raharaha.
Am-perinasa hatrany ny Apipa. Teknisianina sy mpanala fotaka ary mpanangona fako miisa 140 no manao fanadiovana ny lakandrano isan’andro. Voakasik’izany ny lakandrano CR, ny farihy Anosy sy Marais Masay.Voadio avokoa ireo lakandrano ary mitohy hatrany ny asa ho fiarovana ny lemak’Antananarivo amin’ny tondradrano.




