Valin-kasasaran’ny “Chan 2024” : Efa tonga ny vola ho an’ireo mpilalaon’ny Barea

Anatin’ny fikarakarana ny fizarana ny tambin-karaman’ny Chan, azo avy any amin’ny Kaofederasionina afrikanina ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), amin’izao fotoana izao. Nihaona tamin’ny filohan’ny FMF ny delegasionin’ny Barea.

«An-dalam-piketre­hana ny masaka ! » Araka ny vaovao voaray omaly, fantatra izao fa efa tonga ao amin’ny kaontin’ ny FMF ny tambin-karaman’ny Barea A’, izay niatrika ny “Chan 2024” farany teo. Tsy mbola tonga eo am-pelatanan’ny mpilalao sy ny delegasionin’ny Barea anefa izany, ka nisy ny fihaonana teo amin’izy ireo sy ny filohan’ny FMF, Randria­manampisoa Alfred, omaly, tetsy Isoraka.
Taorian’io, nilaza ity mpitantana ny kitra malagasy ity fa efa mikarakara izany ny eo anivon’ny rafitra federaly. Raha ny fanazavana nomeny, tsy maintsy misy dingana arahina any amin’ny banky satria mbola havadika ariary ilay vola dolara avy amin’ny Caf. Maharitra eo amin’ny telo na efatra andro eo izany, ka mety amin’ny alarobia na alakamisy eo vao vita.
Eo am-piandrasana izany, maka ny Rib na ny momba ny kaonty amin’ny bankin’ireo rehetra hahazo ny vola ny Federasionina.

Vola maherin’ny 5 miliara Ariary
« Volabe ! » Tambin-karama 1, 2 tapitrisa dolara na 5,2 miliara Ariary eo ny vola azon’ny Barea taorian’ireny fifanintsanana “Chan 2024” ireny. Tsiahivina fa nahazo ny laharana faharoa izy ireo. Nam­baran’ny mpitantana ny FMF, omaly, fa ny 60 % no anjaran’ny delegasionin’ny ekipam-pirenena, ny ambiny kosa ho an’ny federasionina. Mitovy avokoa ny vola azon’ ireo mpilalao rehetra, na ho an’ny tompon-toerana na ho an’ireo mpisolo toerana, fa samy hafa kosa ny an’ireo “Staff” izay mbola hiarahana midinika amin’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny FMF sy ny tomponandraikitra avy amin’ny Caf.

Fitia Randria

Partager sur: