Araka ny tetiandro napetraky ny Kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra (Caf) ao amin’ny tranokalam-pifandraisany, omaly, hotanterahina amin’ny alatsinainy 6 oktobra izao, any Repoblika Demokratika Congo (RDC) ny andiany faha-47 amin’ny fivoriamben’ny Caf.
Hiavaka izany satria handray ireo andrarezin’ny baolina kitra afrikanina fahiny ny tomponandraikitra. Anisan’izany i Florent Ibenge (RD Congo) sy i Geremi Njitap (Cameroun) ary i El Hadji Diouf (Senegal). Anisan’ireo nahazo fanasana koa i Didier Drogba (Côte d’Ivoire) sy i Kalusha Bwalya (Zambie) ary i Emmanuel Adebayor (Togo). Hiaraka amin’i Patrice Motsepe, filohan’ny Caf koa amin’ity fivoriana hametrahana ny stratejia ho an’ny hoavin’ny baolina kitra afrikanina sy fifampizarana traikefa ity ireo filohan’ny Federasionina afrikanina mpikambana ao amin’ny Caf. Anisan’ izany Randriamanampisoa Alfred, filohan’ny Federasionin’ ny baolina kitra malagasy (FMF) raha tsy misy fiovana. Anio, hisy lalao fampisehoana ataon’ireo kintan’ny baolina kitra afrikanina ireo.
Tompondaka




