SOMBIM-BAOVAO

Nanainga ny alakamisy alina teo ny delegasionina malagasin’ny taranja Échecs, hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy “Jeunes”, tantera­hina any Durres, Albanie. Aina Masambatra, Irvin Keyn­nan, Miarana Irinah ary Dimbiharentsoa Christiana no nanainga teto Madagasikara ary hamonjy an’i Fitia Noah sy Sombin’Aiko efa any an-toerana.

I Verné Prinsloo, teratany Afrikanina tatsimo, no hifanandrina amin’ny Malagasy mpikatroka, Rasoa­nirina Olga, mandritra ny “Battle of Africa”, taranja Muay Thai, hotanterahina any Maorisy, ny 18 oktobra izao. Tsiahivina fa i Olga no nandrombaka ny fandresena tamin’ny “Muay Thai Tournament 2”, natao teny Maha­masina,teo amin’ny sokajy latsaky ny 60 kg, vehivavy.

Ao anatin’ny fanavaozana ireo mpitantana rehetra amin’ireo rafitra isan’ambaratonga ny eo anivon’ ny taranja basikety, ankehitriny, araka ny fampitam-baovao nataon’ny Federasionina malagasy. Araka izany, nahavita ny fifidianana ny teo anivon’ny seksiona basi­kety Betafo, ka lany ho filoha i Voahirana Rita. Hitohy amin’ny seksiona 5 hafa ny fifidianana ary hifarana amin’ ny fifidianana eo anivon’ny ligim-paritra Vakinankaratra.

Partager sur: