Zazakely vao iray volana monja, namoy ny ainy omaly, rehefa nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly tao anatin’ny herinandro. Sempotry ny entona mandatsa-dranomaso nalefan’ny zandary tao an-tranony teny Tanjombato ny zoma 26 septambra lasa teo io zaza io. Nentina nihazo ny hopitaly izy saingy izao tsy tana izao ny ainy, raha ny fanazavan’ny reniny.
Dahalo telo voasambotry ny fokonolona avy ao amin’ny fokontany Ambohibary, kaominina ambanivohitra Ambohimasina, ny 3 oktobra tamin’ny 8 ora sasany alina lasa teo. Hitan’ny olona teo am-pikasana hamoaka ombin’olona tany am-bala izy ireo. Nifanenjehana ary voasambotra. Nanohitra ary tafatsoaka ny roa tamin’izy ireo. Tonga teny an-toerana ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohimasina. Voatifitry ny zandary kosa ny iray nikasa handositra.
Dahalo iray hafa nikasa handroba tany Tindoha, nifanjevo tamin’ny zandary, ny zoma 4 oktobra lasa teo. Nidina an-tsehatra nanao ny fanaraha-maso ny zandary enina. Nifanehitra tamin’ny dahalo miisa dimy nirongo basy izy ireo. Raikitra ny fifandonana ary lavo nandritra izany, ny dahalo iray. Tafaporitsaka avokoa ny ambiny hafa. Tavela niaraka tamin’ity lavo ity ny basy lava iray.
Lehilahy roa tratra tamin’ny raharaha halatra fiara teny Sabotsy Namehana. Hita tany Amboropotsy Ambohibary, ny 03 oktobra 2025 lasa teo, ny fiara iray marika Daewoo damas, izay nokasain’ireo olon-dratsy hoetina hihazo an’i Soavinandriana. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny zandary avy ao Antsirabe sy tany Ambohibary. Marihina fa avy aty Antananarivo ireto roa lahy voasambotrsa ireto.




