Mangina tanteraka aloha izao ny fifaninanana eto an-toerana noho ny zava-misy eto amin’ny firenena. Fotoana afaka handinihin-tena ihany koa satria efa hifarana ny taona ka ao anatin’ny fanaovana tomban’ezaka sy fanavaozana ny mpitantana ny taranja sasany amin’izao. Ao anatin’izany, tsy misy afaka mirehareha ho nahavita na tsia satria voatra ampangoro ny olombelona ka mifandimby ambony sy ambany. Ny ory anio, mety hanana rahampitso. Izay mitomany mbola hifaly.
Omby indray mandry nefa tsy indray mifoha ary ny nafafy tsy indray maniry. Tsy hilaozan’izay te hiavaka ka manao tsinontsinona ny tsy nahomby. Hazakazaka amoron-tevana sy dingan-dava am-pandrotrarana anefa ny fiainana ka tsy azo iringiringiana. Izay mihaitraitra no ho lavo ka aleo malina ihany. Tsy misy tsara toy ny mifanampy fa raha tafita ny hafa noho ny tolo-kevitra avy amin’ny namana. Aza hiandrasana dera na valim-pitia izany fa toy ny varavarana ny zava-bitanao, voatositosika vao maro mpiditra. Voatra ampangoro mantsy ny olombelona ka mifandimby ambony sy ambany.
Tsy vitan’ny vava toy ny tranom-pody koa ny fahazoam-bokatra fa mila ezaka sy faharetana. Aza mianjona ireo olo-manoro fa mety ho aina mahavelona ireny. Na izany aza, ny mahery tsy maody tsy ela fiainana. Aleo, mitandri-pamindra sao ho solafaka. Ny mihanika eny amin’ny tendrony mantsy mora fa ny hipetraka eny tsy ho lavo no sarotra.
Tsy mety raha hanao toy ny toho miditra am-bovo, mazava andro hidirana fa maizina andro ivoahana, izay vao ho voakora.
Tsy mahamenatra ny manontany satria ny zavatra tsy hay tsy hibitabitahana ary ny zavatra hay tsy hidedadedahana. Voatra ampangoro mantsy ny olombelona ka mifandimby ambony sy ambany.
Tompondaka




