Basikety-World Tour Shenzhen : Nandresy an’i Croatie ary resin’i Australie ny Malagasy

Lalao roa no natrehan’ny ekipa malagasy “Nosy Bé”, ny faran’ny herinandro teo, ao anatin’ny fifaninanana “World Tour Shenzhen Chine”, taranja basikety 3×3, natao tany Chine. Rakotonirina Fiary Jonhson 1m 98 (kapiteny), Rakotovao Marco 1m 86, Rasolonandria­nina Hasina 1m96, Arimanana Kanto Damie 1m96, ireo no nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Raha ny vokatra indray, fandresena iray sy faharesena iray no azon’ny Malagasy. Teo amin’ny lalao voalohany, isa 21 no ho 20 no nandresen’ny ekipa malagasy “Nosy Bé” ny ekipan’ny Somo­bor avy any Croatie. Lalao tena niady ary nanohitra tanteraka ny mpilalao malagasy tao anatin’izany. Taorian’izay, niatrika ny lalao nanoloana ny Brisbane avy any Australie indray ny ekipa malagasy. Fa­haresena somary navesatra ihany no azon’ny “Nosy Bé” nandritra izany, ka isa 20 no ho 6 no azon’i Australie, ekipa efa kalaza sy manana trai­kefa. Raraka tamin’ny lalao niadiana ny tapakila ho amin’ ny ampahefa-dalana, araka izany, i Madagasikara. Na teo aza izany, nahazo traikefa izy ireo ary vonona ny hanarina ny lesoka.

Mi.Raz

Partager sur: