Unicef madagasikara : “Ny zo fototra ho an’ny ankizy no arovana”

Nanao fanambarana ny Unicef tany Nairobi, omaly, momba ny fiarovana ny ankizy ao anatin’ny fiatrehana ny korontana sy ny hetsika fitakiana eto Madagasikara.

Voalaza fa manahy izy ireo amin’ny zavatra iainan’ny zaza sy ny ankizy manoloana ny zava-misy eto amintsika amin’izao fotoana izao. Tokony ho laharam-pah-a­mehana ny fiarovana ny an­kizy amin’ny toerana mana­kaiky ny fihetsiketsena samihafa mitranga. Ilaina ny fandraisana fepetra tsy hahatonga ny ankizy ho tandindomin-doza.
Niparitaka tamin’ny filazam-baovao rehetra fa misy ny ankizy no naratra sy sempotra tratran’ny bomba mandatsa-dramaso nanomboka ny 25 septambra lasa teo, teto an-dRenivohitra ary mbola misy ny manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly amin’ izao fotoana izao satria voa mafy mihitsy.
Ankoatra ny ratra mahazo ny vatana, mety hitondra fahaketrahana ara-tsaina eo amin’ ireo zaza iharany koa ny vo­katry ny baomba mandatsa-dranomaso. Tokony tsy ho azo ampiasaina amin’ny faritra manakaiky sekoly na toeram-pitsaboana (misy zaza tsa­boina) ny baomba mandatsa-dranomaso noho ny entona manimba ny fahasalamana sy ny tabataba aterany.
Tranga miseho isaky ny misy fihetsiketsehana miaraka amin’ny fampiasana ity fitaovana ity ny fahasemporana eo amin’ny ankizy fa tsy mbola nandray fepetra ny tompo­nandraikitra satria miverina hatrany izany rehefa handrava hetsika fitakiana. Tonga any amin’ny trano fonenan’ny olon-tsotra, sekoly, toeram-pitsa­­boana ny entona manempotra ka miteraka olana amin’ny taovam-pisefoana.
Zo fototra eo amin’ny an­kizy no tokony harovana re­hefa misy savorovro ka ahina hitera-doza ho azy, hoy ny fanambarana.
Manamafy ny fanamba­rana nataon’ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena misahana ny ankizy ny faran’ny herinandro teo, ity nataon’ny Unicef ity amin’ny tokony tsy hanaovana sorona ny zaza ka mila mandray fepetra ny tomponandraikitra isan-tsokajiny.

Vonjy

Partager sur: