INDRAY MIJERY

Ny filankevitra siantifika dia mampahatsiahy sy manamafy fa mbola miato aloha ny fampianarana, ny fanadinana sy fifaninanana, eny anivon’ny toeram-pianarana rehetra ato anatin’ny oniversiten’Anta­na­narivo, mandra-pisian’ny fandaminana vaovao. Maro anefa ireo tanora vao afaka bakalorea farany teo no mikasa ny haka ny diplaoma eny amin’ny sampandraharaha misahana izany eny Ankatso satria ilaina amin’ ny fifaninanana samihafa hidirana amin’ny fampiana­rana ambony.

Nanatanteraka fandidiana “hernie” ho an’ireo ankizy voatily nandritra ny fandalovan’ny “caravane médi­cale andiany faha-33” lasa teo ny mpiasan’ny fahasalamana avy ao amin’ny CHRR Vakinankaratra, ny herinandro lasa teo. Ankizy folo mianadahy no nisitraka izany tolotra maimaimpoana izany. Tao amin’ny kaominina Ankazomiriotra, distrikan’i Mandoto no nitiliana ireo hisitraka fandidiana maimaimpoana.

Nahazo fampitaovana avy amin’ny fondation Akbaraly ny institut supérieur paramédical ao Soa­vinanadriana. Hanatsarana ny fiofanana omen’ny ivontoerana ny fitaovana azo satria ahazoan’ny mpiofana manao fampiharana tsy tapaka. Hapetraka ao amin’ny laboratoara ireo fitaovana ireo ahitana saribakoly (mannequin) sy fitaovana fanadiovana ny kojakojam-pitsaboana.

Partager sur: