TSELATRA

Cocktail Molotov maromaro tra-tehaky ny zandary tao Barikadimy, omaly. Manoloana ny hetsika ataon’ireo tanora Gen Z ao an-toerana, manao fisafoana hatrany anelakela-trano ny mpitandro filaminana. Nogiazana ireo fitaovana tratra ireo.
Voafaokan’ny fiara tampoka ny zandary roa nanao sakana teny Ambohibao, ny alin’ny alahady 5 septambra lasa teo, tamin’ny 9 ora. Naratra ireo mpitandro filaminana roa lahy saingy tsy misy atahorana ny ainy. Nandositra ny fiara nahavanon-doza.
Mitohy ny andrimaso ataon’ny vaomiera anivon’ny fokontany eto an-dRenivohitra hisorohana ny tsy fandriampahalemana. Miara-miasa amin’ny polisy eny anivon’ny boriborintany sahaniny avy izy ireo.
Mpitondra moto naratra mafy voahitsaky ny kodiaran’ny kamiaobe tao Tanandava Toamasina, omaly tolakandro. Niforitra tanteraka ilay moto ka nifamonjena nentina teny anivon’ny toeram-pitsaboana ilay lasibatra.

Partager sur: