Mandritra ity herinandro ity : Nianatra tapak’andro ny ambaratonga faharoa

Taorian’ny fandaminana napetraky ny tomponandraikitry ny Dren Analamanga, miato ny fampianarana ho an’ny préscolaire sy ny ambaratonga voalohany, nanaraka ny toromarika avokoa ny sekoly rehetra. Ireo ambaratonga faharoa kosa nanohy ny fianarana fa mirava amin’ny 11 ora ka tsy miverina intsony ny tapany hariva. Io aloha no lamina vaovao ho an’ity herinandro ity hitsinjovana ny mpianatra sy ny fitohizan’ny fanabeazana. Miankina amin’ny fivoaran’ny zava-misy ihany ny fepetra ho an’ny herinandro manaraka.
Ho an’ny sekoly manaraka ny rafi-panabeazana frantsay kosa, mbola miato ny fampianarana ho an’ny omaly fa mandefa fizarana amin’ny alalan’ny tambajotra ny mpampianatra. Vao niandoha ny hetsika fitakiana no efa nandray ity fepetra ity ny tomponandraikitry ny sekoly hiarovana ny mpianatra sy ny fitaovam-pitaterana azy ireo.
Mianatra sy miasa ao anatin’ny tebiteby ny rehetra ka ilaina ny mizara ny mavesatra amin’ny manodidina na ny olona mahafehy fizarana tohana ara-tsaina.

Vonjy

Partager sur: