Onivesiten’i Fianarantsoa : Nanaiky fandaminana ny mpianatra

Taorian’ny korontana ni­tran­ga ny sabotsy teo, tany Fianarantsoa, nifanatona nivory, ny alahady, ny tomponandraikitra. Nahitana ny governoran’ny faritra Matsiatra Ambony, ny préfet ao Fia­narantsoa, ny ben’ny Tanàn’ny kaominina ambonivohitra Fia­narantsoa, ny procureur, ny filohan’ny Oniversite, sy ireo sojabe ary ireo ary ny mpianatra eny amin’ny Oniversite izany, hoy ny fanazavan’ny governoran’ny faritra, Raza­findrafito Lova Paupil. Niezaka nandamina ny toe-draharaha izy ireo ary samy niaiky fa tsy mitondra amin’ny vahaolana ny korontana. Tapaka fa hiroso amin’ny fanadinana izay efa voamarika tao anatin’ny te­tiandro ireo fakiolte tsirairay ary nangatahin’ny sojabe ny hisian’ny filaminana. Mbola mipetraka hatrany ny « Fran­chise universitaire » ka ny directions sécuritaires ao ihany no handamina sy hanala ireo olona tsy fantatra mialokaloka ao amin’ny Campus. Ireto farany izay mampirisika ireo mpianatra hikorontana. Nanomboka omaly, tsy maintsy mitondra ny carte étudiant ny mpianatra tsirairay ahafahana manavaka azy ireo.
Nohenoina ireo fangatahan’ny mpianatra ary hisy ny fandaminana anatiny hahafahana mampiasa ny trano vaovao. Navotsotra ireo mpianatra telo sy ilay olona iray avy any Bélgique namatsy vola ny korontana, raha ny fanazavana. Tsy afaka mandalo eny amin’ny toerana misy tsena, biraom-panjakana na hanapaka lalam-pirenena ireo mbola hidina eny an-dalambe.

Vonjy

Partager sur: