Baolina kitra : Hanazatra ny Young Africans Tanzanie ny Coach Rôrô

Toy ireo mpilalaon’ny Barea Chan milaravinahitra any ivelany, handeha hikopak’elatra ihany koa ny Coach Rôrô. Hanazatra ny Young Africans Sports Club an’i Tanizanie ny lehilahy. Famaraparanana ny pitsopitsony eo aminy sy ny Federasionina malagasy (FMF) ary ny Yas Madagasikara sisa dia hanainga izy.

Tsy honohono fa tena izy. Nambaran-dRakoton­drabe Romuald Felix (Coach Rôrô), mpanazatra ny Barea Chan, fa marina ny vaovao nivoaka tamin’ny tambanjotran-tserasera, omaly. Han­deha hanazatra ny ekipan’ny Young Africans Sports Club (Yanga) Tanzanie ny tenany. Nambarany nandritra ny resaka nifanaovana taminy fa efa vita ny sonia sy ny fifanarahana roa taona azo havaozina eo amin’ny roa tonta. Miankina aminy sisa ny tsy mbola hiaingany satria mbola mamarana ny nifanarahana tamin’ny Federasionina malagasy (FMF) sy ny Yas Madagasi­kara ny tenany. Raha tsy misy ny fiovana, hamonjy io ekipa io izy amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao.
Tafiditra ao anatin’ny fifanarahana ny vady aman-janany. Afaka mitondra olona telo koa izy handrafitra ny ekipa teknika. Tsiahivina fa ekipa D1 ao Tanzanie ny Young Africans Sports Club ary miatrika ny fiadiana ny “Ligue des champions Afrique”, amin’izao fotoana izao. Laharana fahefatra amin’ny fifaninanam-pirenena Tanzanianina.
Nangataka azy ho mpanazatra koa ny Simba Club saingy tsy matotra, araka ny nambarany fa mivoaka miditra. Teo koa ny Al Merrick Soudan, misy an’i Nicolas sy i Feno­hasina, saingy tsy nety taminy noho izy ireo tsy manana Kianja fa any ivelany no miatrika ny fifaninanana.
Mahakasika ny lalao hataon’ny Barea de Mada­gasikara A indray, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2025”. Nolazainy fa sarotra nefa azo atao. Tsy matematika ny baolina kitra, hoy izy, ary tsy mahafantatra izay tanjak’i Comores sy i Mali amin’izao fotoana izao ny tenany ka tsy afaka ny hanome ny heviny fa mirary soa ho azy ireo hahazo ny isa 6.

Tompondaka

Partager sur: