Araka ny fandaharam-potoana eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Badminton, hotanterahina ny 11 sy 12, hitohy ny 18 sy 19 oktobra ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy Senior, lahy sy vavy. Hotanterahina eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano ny hetsika. Ligim-paritra telo dia Analamanga, Vakinankaratra ary Atsinanana no hiady ho lohany amin’ity. Mahatratra 75 ny isan’ny mpandray anjara.
Fifaninanana ho an’olon-tokana ihany no hatao dia ny olon-tokana lehilahy SA1 sy ny SA2 ary ny SB1sy SB2. Eo koa ny an’ny Vétérans. Ho an’ny vehivavy indray, misy ny SA1 sy ny SB2. Mbola miankina amin’ny toe-draharaham-pirenena nefa ny hahatanteraka ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity. Na izany aza, mila miomana hatrany ireo mpilalao, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Federasionina. Raha tsy misy ny fiovana, aorian’ity sokajy Senior ity no hiditra an-tsehatra indray ny Junior, ny volana novambra.
Tompondaka




