Nitondra fanazavana mahakasika ny zava-misy eto amin’ny firenena ny eo anivon’ny Fihezama (Fitaizana ny herin’ny zatovo malagasy). Nohamafisin’ny filohany, Rakotovao Jacky Raymond, fa mitaiza sy manabe ny zatovo sy tanora malagasy amin’ny alalan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina ity fikambanana ity. Tsy manao politika sy tsy miandany na amin’iza na iza izy ireo, na dia namaly ny antson’ny minisitera tamin’ny sabotsy 4 oktobra lasa teo aza. Nitondra ny fomba fijery ny zava-misy ary nangataka ny hampitsaharana ny herisetra sy hihainoana ny tanora, amin’ny maha mpitaiza sy mpanabe tanora azy ny Fihezama, nandritra io fihaonana io. Nanamarika ihany koa izy fa tsy nisolo tena ny Gen Z izy ireo ary laviny marindrano izany. Tsiahivina fa nahitana mpanao fanatanjahantena maromaro nanatrika ity fihaonana tamin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny faran’ny herinandro lasa teo ity, raha ny loharanom-baovao.
Mi.Raz




