Hatao anio, any Côte d’Ivoire, ny lalao hihaonan’ny Coalacanthes Comores sy ny Barean’i Madagasikara. Fifanintsanana tafiditra anatin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2026.
Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Félix Houphouët-Boigny, any Côte d’Ivoire, ny fifandonan’ny ekipam-pirenena malagasy, Barea, sy ny ekipan’i Comores, Coelacanthes, amin’ny andro faha-9, fifaninanana hiadin-toerana ho amin’ny “Mondial 2026”. Tsy manana safidy intsony ny mpanazatra Corentin Martins, tsy maintsy mikatsaka fandresena izy raha mbola maniry hitondra ny ekipany hiatrika ny Mondial any Etazonia, izay mpampiantrano amin’ny 2026.
Vonona ny Malagasy hanome ny ainy sy ny heriny rehetra mba hahazoana ity tapakila mankany amin’ny Mondial ity. Etsy ankilany, feno finiavana ihany koa ny Kaomorianina, izay mikendry fandresena amin’ny Malagasy, izay Nosy rahavavy ato amin’ny ranomasimbe Indianina, ary maniry fatratra handray anjara voalohany amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena lehibe ity.
Rehefa vita ity lalao ity, ny Aigles du Mali indray no handray ny Barea, ao amin’ny Kianja 26 Mars, any Bamako, amin’ny andro farany amin’ny fifaninanana.
Baolina faharoa
Fiteny malaza eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny hoe «baolina faharoa». Midika izany fa tsy maintsy mahay manohy sy maka tombony amin’ny fotoana rehetra. Raha mahazo fandresena amin’ireo lalao roa ireo ny Barea, manoloana an’i Komoro sy Mali, ary mandresy koa ny Black Stars Ghana amin’ny andiany farany, hisokatra ny làlana ho an’i Madagasikara. Hiditra amin’ny fihodinana famaranana (barrage) amin’ny fifaninanana Mondial ny Barea. Izany hoe, anisan’ireo ekipa faharoa tsara indrindra aty Afrika no ho toerana hisy ny Malagasy.
Fitia Randria




