Taorian’ny fahavitan’ny dingana efatra ho fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny Rallye, mpanamory roa no tena misongadina eo amin’ny filaharana. Mitarika i Faniry, avy amin’ny klioba TMF, arahin’i Mathieu Asacm. Mifanakaiky mantsy izy mirahalahy ireo amin’ny isa azo. Nahazo 126, 5 i Faniry, raha 103 ny an’i Mathieu. Mbola tena hisy lanjany avokoa ny rallye roa farany amin’ity taom-pilalaovana ity. Tsy mbola misy afaka hilaza ho tompondaka, araka izany, izy ireo raha tsy tontosa mihitsy aloha ireo fifaninanana farany. Eo amin’ny laharana fahatelo no misy an’i Aro Kiady, manana isa 74, 5 ary fahefatra i Mika, isa 59. Tsiahivina fa rallye efatra no efa tontosa, dia ny an’ny FMMSAM, ny an’ny TMF sy ny Go Janga ary ny ASA Tana.
Dingana manaraka, raha tsy misy ny fiovana, ny Rallye karakarain’ny klioba Tacs, hotanterahina ny 23 ka hatramin’ny 25 oktobra ho avy izao. Hamaranana izany ny Rallye FSAM, hatao ny 21 ka hatramin’ny 23 novambra ho avy izao.
Mandra-piandry izany, voalohany eo amin’ny sokajy vehivavy i Vanilla, manana isa 61, 25; arahin’i Ministen, isa 57, 5. Ho an’ny sokajy tanora, voalohany i Faniry, isa 130, 5; faharoa i Aro Kiady, isa 106 ary fahatelo i Mika, isa 70, 5.
Tompondaka




