SOMBIM-BAOVAO

Resy tamin’ny fihodinana voalohany ny solontena malagasy, i Nathanael, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Judo, sokajy Juniors, notontosaina tany Lima, Pérou, ny faran’ny herinandro teo. Tamin’ny alalan’ny Ippon no nandavoan’ilay teratany Libanais, i Yoshido El Saikaly, azy. 30 ny isan’ny mpifaninana teo amin’ny sokajin-danja latsaky ny 81 kg nisy an’i Nathanael.

Hotanterahina any Le Caire, Egypte, ny 12 hatramin’ny 15 oktobra izao, ny fiofanana “Fiba Africa Regional Youth Camp 2025”, sokajy vehivavy. Malagasy mpilalao iray, Andriantsiavonantsoa Onisoa Fanasina Noroniaina, avy amin’ny “Club New Academic’s Sport”, sy mpanazatra iray, Ravonimboangy Eléonore, no hisolo tena an’i Madagasikara amin’izany. Manodidina ny 100 ny mpandray anjara manerana an’i Afrika amin’ity fiofanana ity.

Namiratra indray nandritra ny fifaninanana “Gala La nuit des sportiates”, natao tany Belgique, ny Malagasy mpikatroka ny taranja Muay Thai, i Claudia Toly Henri, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo ny fandresena nanoloana an’i Nicosia Tamara (Belge) izy. Tsy vao izao no namiratra i Claudia fa vao nahazo fandresena ihany koa izy tamin’ny taranja K1, ny volana septambra teo.

Partager sur: