Judo-“Tournoi du Hainaut”: Nahazo medaly volamena 2 sy alimo 2 ny Malagasy

Tsy nitsanga-menatra ny solontena malagasy niatrika ny fifaninanana “Tournoi de Hainaut”, taranja Judo, notontosaina tany Bélgique, ny fa­ran’ny herinandro teo. Medaly volamena 2 sy alimo 2 no no­rombahin’ny Malagasy nandritra izany. Teo amin’izay vokatra izay, Andriamitandrina Fe­hizoro, sokajy latsaky ny 13 taona, nahazo medaly volamena iray. nahazo fandresena 3 izy ary tamin’ny alalan’ny Ippon avokoa izany. Tsy amba­kan’izany Ramampi­andra Yasmine, sokajy latsaky ny 13 taona, vehivavy, izay nahazo fandresena 3 ihany koa ka nandrombaka ny medaly volamena. Ankoatra izay, nahazo medaly alimo ny Malagasy mpikatroka, Andriamihaja Maevatiana, izay nahazo fandresena iray tamin’ny alalan’
ny Ippon. Toraka izany koa, Andriamihaja Mahery, sokajy Poussin, nahazo ny medaly alimo. Tsiahivina fa 7 mianadahy, avy amin’ny klioban’ny Judo Club Atrika Atsinanana ireo nandrafitra ny delegasionina malagasy tamin’ity fifaninanana ity. Samy nanome ny tsara indrindra avy aminy avokoa izy ireo. Nihintsana teo amin’ny ampavalon-dalana i Mana (U15) sy i Joy (U18), raha toa ka resy tamin’ny fihodinana voalohany avokoa i Dylane (U15).

Mi.Raz

Partager sur: