TSELATRA

Niakatra fampanoavana tetsy anivon’ny fitsarana Anosy, omaly, ireo mpanao fihetsiketsehana miisa 28 voasambotry ny zandary teto Antananarivo. Naiditra vonjimaka am-ponja eny Tsiafahy ny dimy amin’izy ireo. Antony hanenjehana azy ireo ny filazana fa nandray anjara tamin’ny fandrobana. Raha toa ka nahazo fahafahana vonjimaika ny enina tamin’izy ireo. Arahi-maso eo ambanin’ny fitsarana ny 17 ambiny. Hotanterahina ny 11 novambra ho avy izao, ao amin’ny efitrano fahatelo, ny fotoam-pitsarana azy rehetra ireo.
Raim-pianakaviana iray mpanao Cash point notafihan’ny jiolahy telo lahy, omaly hariva, tao Laidama Atsinanana, Ambilobe. Notifirina tamin’ny basy sy notsatohana tamin’ny antsy izy. Avy niasa izy mivady sy ny zanany no niseho ny fanafihana. Lasan’ireo olon-dratsy ny vola 10 000 000 Ariary, miaraka amin’ny finday maro fanaovana mobile money sy finday hafa amidy. Ao anatin’ny fikarohana tanteraka ireo nahavanon-doza ny mpitandro filaminana ary miantso izay manam-baovao hisamborana haingana ireo jiolahy.
Lehilahy iray hita faty teny akaikin’­Andra­notapahina, omaly maraina. Olona sendra nandalo no nahita ny faty nivalampatra ka nampandre ny tomponandraikitra. Heverina ho vono olona ny nahazo io olona io. Efa naterina eny amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha moa ny razana taorian’ny tranga.
Nitrangana trano may iray tany Betsiaka, Ambilobe, omaly hariva. Nifarimbona namono ny afo ny fokonolona any an-toerana ary voafehy tanteraka izany. Tsy nisy moa ny naratra sy namoy ny ainy tamin’ity tranga ity. Tsy mbola fantatra mazava ihany koa ny antony nahatonga ny firehetana.

Partager sur: