Namboly hazo teny Alakamisy, Ambohidratrimo ny antoko Malagasy miara-miainga, ny asabotsy teo. Lahatenin’ny filoha nasionaliny, Andrianainarivelo Hajo ny resaka politika sy ny raharaha anatin’ny antoko.
Nanentanana ny tsirairay mba hanaraka hatrany ny fizotry ny raharaham-pirenena, ny filohann’y antoko MMM. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomanana ny fifidianana. “Aoka isika ho sahy hijoro, hilaza ireo tsy mety amin’ny fanomanana ny fifidianana. Samy hanaramaso ny fanomanana”, hoy izy. “Tsy mahafa-po ny fanatanterahana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana. Antony nahatonga ny MMM nanambara ny lesoka teo anivon’ny Ceni izany. Tokony ho sahy hilaza ny lesoka avokoa ny rehetra”, araka ny nambarany.
“Antoko velona sy manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena ny MMM. Porofo ny fahavitan’ny kongresi-paritra, sy ny fihaonana amin’ireo vahoaka eny ifotony, ary nampahafantarana ny vinan’ny antoko. Adidin’ny antoko ny mihaona amin’ny mpiantsehatra isan-tsokajiny sy mihaino azy ireo hanatsarana ny fiainan’ny antoko”, araka ny nambarany hatrany.
Taom-pandresena
Nohamafisin’ny filoha nasionalin’ny MMM fa manana andraikitra amin’ny fikajiana ny tontolo iainana ny antoko ka antony hanatanterahana ny fambolen-kazo isan-taona tahaka izao. “Zava-dehibe ihany koa anefa ny fikojakojana azy. Miaina amin’ny fikojakojana ny tontolo iainana ho tombontsoan’ny tanin-janaka rahateo ny antoko”, hoy izy namarana ny lahateniny.
Naneho ny fahavononany amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny raharaham-pirenena ny mpikambana eo anivon’ny antoko. Samy nanitrikitrika fa ho taom-pandresena ny 2023. Marihina fa, maherin’ny 3000 ny zanakazo novolen’ ireo mpikambana maherin’ny 1000 tonga teny an-toerana. Anisan’izany ireo olom-boafidy MMM, ahitana ben’ny Tanàna sy mpanolontsaina ary depiote, miaraka amin’ ny loholona.
Synèse R.