Vao niandoha ny hetsika fitakiana teto an-dRenivohitra izay mbola mitohy hatramin’izao, hita taratra koa ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny olom-pirenena amin’ny fiainana andavanandro. Ireo mpampiasa lalana no tena tsikaritra manao izany. Mandeha “contre sens” amin’ny arabe ireo kodiaran-droa tsy manaja ny lalàn’ny fifamoivoizana ka ahina hiteraka loza amin’ireo samy mpampiasa lalana. Ny mpitandro filaminana mpandrindra ny fifamoivoizana rahateo tsy tazana eny intsony ka samy manao ny lalàny ny rehetra.
Ireo mpandeha an-tongotra miampita amin’ny toerana manokana no tena sahirana satria lasa misy mitsoriaka mangalatra midina na miakatra tampoka ireo kodiaran-droa sady mandeha mafy.
Ireo taxi-be koa mandray olona eny amin’ny toerana rehetra mety aminy, tsy manaja ny toeram-piantsonana intsony. Rehefa manomboka mikatona ny lalana rehetra hiditra ao Analakely sy ny manodidina no miseho ny tsy fanarahan-dalàna samihafa. Very avokoa ny fanentanana nataon’ny tomponandraikitra momba ny aro lozan’ny fifamoivoizana ka ho sarotra ny hamerina izany ao anaty fotoana fohy.
Vonjy




