Fifanintsanana Mondial 2026: Nandresy an’i Comores, 2 no ho 1, i Madagasikara

Tsara ny vokatra tany Côte d’Ivoire, omaly, ho an’ny Barean’i Madagasikara. Resin’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Coalacanthes Comores, nandritra ny andro fahasivy tafiditra anatin’ny fiadiana ny ho tompondaka manerantany 2026.

“Fandresena iray izay!”. Nahazo isa telo ny Barea. Lavon’ny eki­pa nasionaly malagasy, ta­min’ny isa 2 no ho 1, ny Coalacanthes Comores, omaly, tao amin’ny Kianja Félix Houphouët-Boigny, any Côte d’Ivoire. Fifandonana izay tafiditra amin’ny andro faha-9, fifaninanana hiadin-toerana ho amin’ny “Mondial 2026”. Dingana ihany no vita, ho an’ny ekipam-pirenen’i Madagasikara, fa ny tanjona dia ny handresy an’i Mali.
Niampy isa telo izany ny an’i Madagasikara, ao amin’ny vondrona “I”, manana isa 19. Mbola eo amin’ny laharana faharoa ny Malagasy, hatreto. Raha hiverenana kely ny fihaonan’ny roa tonta, nifandimbiasana ny fanafihana teo amin’ny andaniny sy ankilany. Minitra fahafolo, nahavita nanakobana ny harato i Clement Couturier, Malagasy hirakiraka mpanafika. Niezaka nanenjika io isa io ihany ry Selemani sy namany, saingy io ihany no nentina niala sasatra.
Teo amin’ny fidirana faharoa, mbola nanampy ny isa ho an’ny Barea indray i El Ha­dary, ny minitra faha-73. Telo minitra taorian’io, nampihena ny isa teny amin’ny solaitrabe ho an’i Comores, i Said. Nitsahatra tamin’io isa 2 no ho 1 io ny lalaon’ny roa tonta, nandresy ny Barea.

Ady iray sisa
Nifarana hatreo ny dian’ny Coalacanthes mankany amin’ny “Mondial 2026”. Mbola manana fanantenana goavana ny hiatrika izany kosa ny Barea raha toa ka mandresy ny Aigle de Mali izy ireo ary resin’i Comores ny Black Star an’ i Ghana. Ny fifanandrinana amin-dry zareo malianina moa dia hatao ao amin’ny Kianja 26 Mars, any Bamako Mali, ny alahady 12 oktobra ho avy izao. Raha mandresy ny kaomorianina ny ganeanina, miatrika lalao sakana ny Mala­gasy, raha toa ka tafavoaka eo anatrehan’ny voromahery malianina.

Fitia Randria

Partager sur: