Hafana tanteraka ny fifaninanana “Muay Thai Tournament 3”, hatao any Toamasina, ao amin’ny Kianja mitafo Arena, ny 23 novambra izao. Anisan’ny ady andrasana ny eo amin’ny “Main Évent”, sokajy vehivavy, hifanandrinan’i Sandra, avy amin’ny Phoenix ao Antsirabe, sy i Katy, avy amin’ny Tiger’s eto Antananarivo. Sokajin-danja latsaky ny 48 kg no misy azy roa vavy ireto. Tsiahivina, andiany fahatelo amin’ny “Muay Thai Tournament” ity hotontosaina ao Toamasina ity, izay karakarain’ny GISL (Grande île sports loisirs). Nosafidiana manokana ny hanatanterahana ny fifaninanana any amin’ny faritra mba hitovian’ny lenta amin’ny samy mpikatroka manerana ny Nosy. Hiverina eto Antananarivo indray ny fifaninanana amin’ny volana desambra izao. Zava-dehibe ny fiatrehana ady matihanina toy izao hahafahana miatrika fifaninanana iraisam-pirenena. Anisan’izany Rasoanirina Olga izay hiatrika fifaninanana afrikanina, ny 18 oktobra izao, rehefa nahazo ny fandresena teo amin’ny sokajy latsaky ny 60kg, tamin’ny “Muay Thai Tournament 2”, natao tao amin’ny Kianja mitafo Mahamasina, ny 21 septambra lasa teo.
Mi.Raz




