Hanomboka amin’ny fomba ofisialy anio alakamisy, ao amin’ny Kianja Douaisis France, ny andiany faha-20 amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy vehivavy. Firenena hatrany amin’ny 50 no hiady izay ho lohany amin’ity ka anisan’izany i Madagasikara. Efa any an-toerana ny ekipa malagasy ary vonona tanteraka hiatrika izany. Nambaran’ireo mpilalao fa tsy handray anjara fotsiny fa handrombaka mihitsy ny anaram-boninahitra.
Fihaonana ho an’olon-telo miaraka ity, ankoatra izay misy koa ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany eo amin’ny tifitra “tir de précision”. Manana tombony amin’ ity ry zareo Frantsay, mpampiantrano. Ankoatra izay, hisongadina koa ny fiverenan-dry zareo Thaillandais, anisan’ireo firenena andrarezina. Ho arahin’ny rehetra maso ihany koa i Madagasikara. Raha ny fandaharam-potoana, hisantatra ny fihaonana ny fifaninanana mitifitra. Hanomboka rahampitso zoma kosa ny fifanintsanana eo amin’ny olon-telo miaraka sy ny manasa-dalana arahin’ny famaranana amin’ny “tir de précision”. Fihodinana fahefatra sy fahadimy eo amin’ny olon-telo miaraka ny sabotsy, mitohy amin’ny “Coupe des nations”. Ny manasa-dalana sy ny famaranana eo amin’ny “Coupe des nations” sy ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, ny alahady.
Tompondaka




