Nofoanana ny fifaninanana “Fit Game”, taranja Bodybuilding, karakarain’ny Federasionina malagasy sy ny “Fit Game”. Fifaninanana kasaina hatao ny 8 sy 9 novambra izao, eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano. Nohamafisin’ny mpikarakara fa haverina avokoa ny saram-pisoratana anarana ho an’ireo izay efa nanatanteraka izany. Mbola tsy fantatra kosa ny daty vaovao hanaovana ity fifaninanana ity.
Ilay manam-pahaizana iraisam-pirenena, i Cheikh Sarr, no talen’ny fiofanana mandritra ny fiofanana “Fiba Africa Regional Youth Camp 2025”, sokajy vehivavy, hatao any Egypte, ny 12 hatramin’ny 15 oktobra izao. Mpampiofana avy amin’ny Fiba mirahalahy kosa no hampiofana ireo mpilalao afrikanina manodidina ny 100 ho avy any an-toerana, dia i Joe Touohou sy i Naoufal Uariachi. Manana solontena amin’ity fiofanana ity i Madagasikara.
Hiditra amin’ny dingana farany, ny alahady 12 oktobra izao, ny fiadiana ny tompondakan’ny seksionina Antananarivo Renivohitra, taranja basikety, ho an’ny sokajy latsaky ny 12 taona sy latsaky ny 20 taona, lahy sy vavy, izay hatao eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Eo amin’ny sokajy U20, hifandona amin’ny famaranana, ny MB2all sy ny Lucadro eo amin’ny vehivavy. Ny JCBA sy ny AKBB kosa no hifanandrina eo amin’ny lalao famaranana, sokajy lehilahy U20.




