Zazalahy 12 taona atao hoe Eric, karohin’ny ray aman-dreniny rehefa tsy hita popoka nanomboka ny sabotsy lasa teo. Monina ao Mahazengy, Fianarantsoa, io zaza io sy ny fianakaviany, saingy tsy hita tampoka izy. Miantso ireo manam-baovao momba azy mba hampandre an’ireo manam-pahefana ny reniny.
Nanameloka ny fisamborana sy fampidirana am-ponja ny anadahiny taorian’ny tranga fandrobana ny 25 septambra lasa teo, ny renim-pianakaviana iray, tamin’ny alalan’ny horonantsary tao anaty tambajotran-tserasera, omaly. Notanana am-ponja io lehilahy io noho izy voasaringotra tamin’ny halatra. Manda izany ny fianakaviany.
Mpitondra moto roa lahy tra-doza teny Ambatomirahavavy, omaly hariva. Vaky loha tanteraka ny iray ary samy tsy nahatsiaro tena izy roa lahy. Ahina ho vokatry ny fandehanana mafy no nitarika ny loza.
Nifarana omaly ny hamehana na ny “couvre feu” ho an’ny faritra Analamanga, araka ny nambaran’ny Prefektioran’Antananarivo Renivohitra. Manomboka miverina amin’ny fiainany andavanandro ny mponina.




