Manamafy ny fitakiana ataony ny sendikà misehatra amin’ny fahasalamana eto Antananarivo sy any Toamasina. Nanomboka ny alarobia lasa teo ny fampiatoana ny asam-pitsaboana rehetra, hoy ny fanambarana.
Natomboka ny alatsinainy lasa teo, nandritra ny fampiakaran-tsaina teny amin’ny Hopitaly kely, Tanambao I, izay misy ny biraon’ny talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka Atsinanana ny fifampiresahana teo amin’ ireo solontena isaky ny sendikàn’ny fahasalamam-bahoaka Atsinanana. Anisan’ ny hanao hetsika fitakiana tahaka ny misy aty an-dRenivohitra ny any an-toerana. Hita teo avokoa ireo sehatrasa misy eo anivon’ny hopitalim-panjakana, ny Ecd, mpilatsaka an-tsitrapo, paramédicaux, mpianatra ho dokotera “internes”. Ho an’ny sokajy voalohany, Emploi de courte durée (ECD), anisan’ny fitakian’ izy ireo ny hamerenana azy ireo hiasa izay efa naato hatramin’ ny fiandohan’ny taona 2025. Nofoanana tao anatin’ny vinavinam-pandanian’ny filankevi-pintanana ny tetibolan’ny Hopitaly be ny karaman’ireo mpiasa tsy raikitra miisa 40, izay efa niasa hatramin’ny 30 taona ny ankamaroany.
Anisan’ny fitakian’ireo mpitsabo sy paramédicaux kosa ny hampiakarana avo roa heny ny fandraisana mpiasam-panjakana ka ho 3 000 isan-taona izany. Eo koa ny fampiakarana ny solona hofan-trano, indémnité de risque…
Roso ny fitokonana
Noho ireo fitakiana ireo, hampikatso ny asa rehetra momba ny fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny hopitalim-panjakana ireo sendikà rehetra mitokona ireo. Raha ny alarobia lasa teo, tetsy amin’ ny Hopitaly be ireo mpitokona no naneho ny heviny, raha any amin’ny CHU manara-penitra Morafeno kosa ho an’ ny omaly. Tandindomin-doza, noho izany, ny fahasalamam-bahoaka raha izany tokoa no hitranga, ny ain’olombelona anefa mila avotana.
Sajo




