Mpiasan’ny fahasalamana vonon-kiasa: Tsy tokony henjehina ireo tsy mitovy hevitra

Niombom-peo, omaly, tetsy amin’ny HJRA, ireo mpiasan’ ny fahasalamana am-perinasa tsy manaiky voarebirebin’ny resaka politika fa manao ho zava-dehibe ny asa fitsabo­ana. Nahitana dokotera, mpam­pivelona, infirmiera, dokotera farmasianina, mpandraha­raha, mpitantana, dentiste ary teknisianina ara-pahasala­mana ireo nanao fanambarana.
“Zo fototra ny mitaky sy maneho hevitra, saingy atao am-panajana izany”, hoy ny mpitondra teny, Dr Haja Raso­lomanantsoa. Araka ny sata mifehy ny sendikà, miaro ny zon’ny mpiasa ary manelanelana azy ireo amin’ny mpitantana no andraikiny. Tsy anjaran’ny sendikà ny manaisotr’ olona na mangataka fanesorana na fametrahana olona fa misy tomponandraikitra ma­hefa eto amin’ny firenena ma­natanteraka izany ary hajaina sy toavin’izy ireo izany.
Tsy fitadiavana seza na fi­tadiavana tombontsoa manokana ny sendikà.
Tokony havahana tsara ny fiainana manokana sy ny fiainana arakasa. “Melohinay ny herisetra atao amin’ny mpiasan’ny fahasalamana manao ny asany. Toherinay ny fanenjehana ny mpiasan’ny fahasalamana noho ny hevitra tsy mitovy”, hoy ny fanambarana.
Tsy fitaovana fialokalofana amin’ny ratsy ny sendikà. Ny sehatry ny fahasalamana dia mitaky fahatokisana sy fitoniana ary fiaraha-miasa amin’ny rehetra. Mangataka amin’ny fitondram-panjakana ireo vonon-kiasa mba hiaro azy ireo amin’ny fanatanterahany izany.

Tatiana A

Partager sur: