Hamahana ny delestazy: Vahaolana ny toby mandeha amin’ny herin’ny masoandro

Ezahina tsikelikely ny ialana amin’ny famokarana herinaratra mandeha amin’ny solika. Vahaolana ny angovo azo havaozina, toy ny avy amin’ny herin’ny masoandro sy ny rano.

Anisan’ny hamahana ny fahatapahan’ny jiro lava­reny ny famokarana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro. Ho an’Antanana­rivo, misy ny toby eny Am­pan­gabe, mamokatra 11,5 MW, ka efa vita ny 5MW ary ampidirina amin’ny tambajotra irai­san’Antananarivo sy ny manodidina (RIA). Efa misy 1,5 MW ihany koa eny Ambatomira­havavy, an-dalam-pametrahana ny 4MW any Ambohidrano Ilafy sy ny 10MW eny Imerin­tsiatosika. Ho tonga eto Mada­gasikara, afaka roa volana, ny gropy mamokatra 60 MW vaovao hafa.
Manampy ireo, efa misy koa ny toby mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro napetraka any amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Mitotaly 50MW izany ka tsinjaraina 5MW isanisany avy. Apetraka any amin’ireo tanàn-dehibe eto Madagasikara, toy ny any Mahajanga, Toama­sina, Sainte Marie, sns, izany.

Tohodrano
Ankoatra ny herinaratra avy amin’ny masoandro, va­ha­olana hafa ihany koa ny famokarana avy amin’ny tohodrano. Anisan’ny tena goavana indrindra ny tetikasa “Volobe II”, any Toamasina. Efa ma­nomboka ny fametrahana ny fotodrafitrasa amin’ny lafiny fitantanana sy ny fanamboaran-dalana mankany Volobe. Hamokatra 120 MW, na 750 GWh isan-taona. Tombanana hiantoka ny 40% ny filana herinaratra eto amintsika ity toby ity.
Anisan’ny goavana amin’ ny famokarana herinaratra ihany koa ny tetikasa “Saho­fika”. Vita sonia ny volana mey 2025 teo ny fifanarahana eo amin’ny fanjakana malagasy amin’ny alalan’ny Fonds Sou­verain sy ny Share Purchase Agreement (SPA), andaniny. Ankilany kosa, eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny vovonana orinasa Neho. Vo­toatin’ny fifanarahana ny hananan’ny fanjakana malagasy 49% ny renivola ho an’ny orinasa hitantana azy. Hahatratra 200 MW ny herinaratra hovokarina amin’ity tetikasa ity.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: