Vaovao tsara eo amin’ny taranja basikety malagasy, hilalao ofisialy ao amin’ny ekipan’ny Tamponnaise, ao La Réunion, ny Malagasy mpilalao basikety roa vavy, i Hajanirina Muriel sy Jaofera Harisoa Christiane.
Nambaran’ny klioban’ny MB2All Analamanga, omaly, fa hikopak’elatra ka tsy ho anisan’ny mpilalaon’ izy ireo intsony i Muriel sy i Christiane. Namaly ny antson’ ny ekipan’ny Tamponnaise ao La Réunion izy roa vavy ka hilalao any an-toerana manomboka izao. Manamarika dingana vaovao ho an’ireto Malagasy mpilalao basikety manana ny maha izy azy ireto izao fisidinany any amin’ny firenena hafa izao. Mpilalao nisongadina izany Muriel sy Christiane izany tao amin’ny klioban’ny MB2All ary singa tsy azo notsinontsinoavina, nahazoan’ity klioba ity fandresena misesisesy nandritra ny fifaninanana rehetra natrehina teto an-toerana. Aman-taonany maro no novolavolaina sy nivoatra i Muriel sy i Christiane ary tena nahavita be teo anivon’ny kliobany.
Nitondra avo ny voninahi-pirenena…
Tsy teo anivon’ny kliobany ihany, fa nitondra avo ny voninahi-pirenena tao anatin’ny ekipam-pirenena malagasy izy roa vavy ireto ary tsy nisaraka mihitsy tamin’ny lalao rehetra natrehany tany ivelany. Nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay, teo amin’ny basikety 3×3 hatrany izy ireo ary nandray anjara tamin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika. Efa voahosotra ho tompondakan’i Afrika. Efa niatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany ihany koa izy roa vavy. Hotohizany hatrany La Réunion izany fahombiazana izany ary ho reharehan’ ny Malagasy amin’ny vokatra tsara omeny eo anivon’ny ekipan’ny Tamponnaise La Réunion.
Mi.Raz




