Noho ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena, mandalo fotoan-tsarotra koa ny taranja mekanika. Araka izany, nanambara tao amin’ny tambanjotran-tseraserany ny Federasionina malagasin’ny sport automobile (FSam) sy ireo klioba mpikarakara fa tsy misy ny fifaninanana ho an’ity volana oktobra ity. Efa nofoanana ny “Grand Prix karting”, tokony ho natao ny 5 oktobra lasa teo, izay eo ambany fikarakaran’ny klioba TMF Rallye. Tsy misy toraka izany koa ny Slalom FSam, voalahatra ho amin’ny faha-11 sy 12 an’ity volana ity. Manarak’izany, ny “Rallye Virtuel Contest, tokony hatao ny 18 oktobra izao.
Hahemotra amin’ny daty manaraka kosa ny “Run Mada” sy ny “Grand Rallye d’Anjozorobe”, izay efa napetraka hotontosaina amin’ny 24 ka hatramin’ny 26 oktobra ho avy izao. Raha ho an’ny volana novambra, efa tsy ao anatin’ny fifaninanana intsony ny Run MSA, voalahatra ho amin’ny faran’io volana voalaza io.
Nanamafy kosa ny federasionina fa hiezaka hamerina ireo fifaninanana farany izay haingana izy ireo. Nefa hiankina be dia be amin’ny fivoaran’ny zava-misy ny handraisana fanapahan-kevitra rehetra amin’izany.
Tompondaka




