Araka ny fikarohana natao, maratra tsy afaka hiakatra eny ambony kianja indray i Paul Pogba, frantsay mpilalao baolina kitra ao amin’ny klioban’ny AS Monaco. Tsiahivina fa taorian’ny sazy nahazo azy, mbola tsy niakatra an-kianja mihitsy ny tenany, ary tsy mbola niatrika lalao ofisialy.
Tafita hiatrika ny “Mondial 2026”, any Mexique sy Etazonia ary Canada, i Maroc, Egypte ary i Tunisie, raha ny vokatra tsara azon’izy ireo, afakomaly. Mbola tsara toerana hahazo io tapakila io ihany koa i Côte d’Ivoire, Cap Vert, ary i Algerie sy i Sénégal. Tsara ny mampahatsiahy fa i Argentine no tompondaka iraisam-pirenena tamin’ny andiany farany teo.
Hifarana ny 18 oktobra izao ny fandraisana ny fisoratana anarana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy latsaky ny 20 taona, lahy sy vavy. Fifaninanana hotontosaina ny 25 oktobra hatramin’ny 1 novambra izao, ao amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano. Ny 24 oktobra kosa ny fivoriana ara-teknika hiatrehina izany.
Hotanterahina ny 12 oktobra izao ny fivoriana ara-teknika ho an’ny fifaninanana “Challenge Mini Basket”, izay hatao eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Ny 18 sy 19 oktobra izao no hanaovana ny fifaninanana. Klioba maro eo amin’ny sokajy U12, U14 ary U16, lahy sy vavy, no hifaninana ka anisan’ny handray anjara ny SNBC avy eny Itaosy.




