Fisotroan-dronono: Misokatra amin’ny 6 ora ny caisse

Nametraka fandaminana manokana ny tahirimbolam-panjakana ho an’ny fandraisan’ny zokiolona ny vola fisotroan-dronono. Misokatra amin’ny 6 ora maraina ny toerana rehetra handraisana izany eto Analamanga, nanomboka omaly hatramin’ny 16 oktobra izao.
Natao izany ho fitsinjovana ny zokiolona manoloana ny korontana misy eto an-dRenivohitra, vokatry ny fitakiana an-dalambe ataon’ireo mpitolona.
Manaraka hatrany ny tetiandro napetraka ny filaharana ho an’ireo mpandray vola fisotroan-dronono. Ny alatsinainy izao, ho an’ireo manana laharana miafara amin’ny 3, 4, 5. Mitohy ny talata 14 oktobra izany, ho an’ireo manana laharana miafara amin’ny 4, 5, 6, 7. Ireo manana laharana miafara amin’ny A, B, C, D, E kosa no maka ny anjarany ny alarobia 15 oktobra. Ireo mitondra ny taratasy fahazoan-dalana manokana kosa no maka izany ny alakamisy 16 oktobra.
Tsy miova ny fitsinjarana ny anarana ho an’ireo any amin’ny faritra hafa fa ny daty fanombohan’ny fizarana no mety hiova.

Tatiana A

Partager sur: