Hanana solontena amin’ny « Grand Trail de la Réunion » i Madagasikara. Hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany Randrianarivelo Sidonie, atletan’ny AS Fanalamanga. Nanome fankaherezana sy tohana ho azy ny orinasa hoentin’ny miatrika izany fifaninanana goavana izany.
Hanainga anio, hiatrika ny « Grand Trail de la Réunion » hatao ny 16 oktobra ho avy izao Randrianarivelo Sidonie, atletan’ny AS Fanalamanga sady tompondakan’i Madagasikara. Fanasana avy amin’ny Tanora Tia Trail, fikambanana malagasy atsy La Réunion. Hihazakazaka ny 70 km de Mascareigne izy, izay misy mpifaninana 300. Io no nambaran’i Rivo Blandin, mpandrindra jeneraly ny klioba teny Nanisana, omaly. Ho fanohanana azy, nanome lelavola 200 euros tamin’ny alalan’ny tale jeneraly Rabevahiny Arlème, ity klioban’Alaotra Mangoro ity. Nanolotra izany i Michel, filohan’ny taranja atletisma ny AS Fanalamanga. Notsiahivin’i Blandin Rivo fa tsy vao izao akory i Sidonie no hihazakazaka amin’ny Trail.
Nanomboka ny taona 2013 nihazakazaka fa mbola nanao ny course de fond. Ny taona 2021, nivadika nanao Trail, ka fahatelo teo amin’ny 70 km. 2022, tompondaka lefitra teto Madagasikara. Nametraka fanamby ny tale jeneraly fa raha tompondakan’i Madagasikara, horaisina ho mpiasa raikitra. 2023, nanao 35 km i Sidonie ary 70 km ny an’i Noeline. Samy tompondaka avokoa izy mirahavavy. Notanterahin’ny tale jeneraly ny teny nomeny, taorian’izay.
2024, samy nihazakazaka tamin’ny 70 km izy mirahavavy ka lasan’i Sidonie ny ho tompondakan’i Madagasikara. Taorian’io, niatrika ny Dodo Trail, ka tafiditra “Top 5”. Nohamafisin’i Rivo Blandin fa misy taranja 5 ao amin’ny AS Fanalamanga, dia ny baolina kitra, ny tsipy kanetibe, ny karate, ny atletisma ary ny ping-pong. Taom-pahombiazana ny 2025 satria anaram-boninahitra 5 no azon’ny AS Fanalamanga teo amin’ny Trail. “Mampiavaka ny klioba ny fitsipi-pifehezana ho an’ny taranja rehetra”, hoy izy.
Tompondaka




