SOMBIM-BAOVAO

Efa manomboka fantatra ireo mpikatroka handray anjara amin’ny “Muay Thai Tournament 3″ hatao ao amin’ny Arena Toamasina, ny 23 novambra izao. Anisan’ny hifaninana, mandritra izany, eo amin’ny sokajy vehivavy, i Lova, latsaky ny 54 kg, i Eulalie latsaky ny 58 kg ary i Miora, latsaky ny 60 kg.

Hisy ny”prize Money” ho an’izay mandrombaka ny fandresena amin’ny fifaninanana “Challenge Mini-basket” hotanterahina eo amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny 18 sy 19 oktobra izao. Tsiahivina fa rahampitso no hanatanterahana ny fivoriana ara-teknika sy ny antsapaka ho an’ireo sokajy hifaninana: U12, U14 ary U16. Efa vonona avokoa ireo ekipa handray anjara.

Miantso fanohanana sy fanampiana avy amin’ny malala-tanana ny Malagasy mpikatroka, Raza­finjato Rinho. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eo anivon’ny ranomasimbe Indianina amin’ny taranja tolona sy grappling mifangaro izy, ny 22 novambra izao, kanefa tsy ampy ny hoenti-manana amin’izany. Eo amin’ny sokajy latsaky ny 77 kg no misy azy ary vonona ny hanandratra avo an’i Madagasikara izy amin’ity fifaninana hatrehiny ity.

Partager sur: