Nitohy omaly, tao amin’ny Kianja mitafo Douaisis, France, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy vehivavy. Ny fiatrehana ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’olon-telo miaraka no natrehin’ireo mpifaninana rehetra. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany ny Malagasy izay tafita amin’ny fihodinana fahefatra. Raha tsiahivina ny lalao vitany, resin’i Belgique teo amin’ny fihodinana voalohany. Taorian’io, nandresy an’i Luxembourg, tamin’ny isa mazava 13 no ho 2 ary mbola tamin’io isa io hatrany no nandreseny an’i Hongrie. Hitohy anio ny fifanintsanana, ka mbola andrasana izay hifanandrina amin’ny ekipa malagasy. Aorian’izay, hiditra amin’ny lalao ampahavalon-dalana. Hifaninana amin’ny «Coupe des nations» kosa ireo ekipa rehetra resy teo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona.
Raraka teo amin’ny lalao ampahefa-dalana i Fana, teo amin’ny fifaninanana mitifitra «tir de précision». Resin’i Diaz Reyes Sara, teratany espaniola, tamin’ny isa mazava 31 no ho 13, izy. Hidona eo amin’ny manasa-dalana, anio, ilay Thaillandaise, i Kantaros, sy ilay norvezianina, i Homniam Ranu ary i Diaz Reyes hifanandrina amin’ilay Tiorka, i Tosun Yagmur.
Tompondaka




