TSELATRA

Olona roa naratra vokatry ny tifi-danitra nataon’ny Tafika eo anivon’ny Capsat, teny Soanierana, omaly. Renim-pianakaviana sendra nandalo ny iray tamin’ireo naratra ka nentina nihazo ny toeram-pitsaboana.

Manaraka fitsaboana eny anivon’ny HJRA avokoa ireo naratra vokatry ny tifitra nahazo azy, nandritra ny hetsika ny Gen Z, ny sabotsy lasa teo. Anisan’izany, ny mpaka sary matihanina iray voa teo amin’ny feny.

Kilan’ny afo ny fiara tsy laitram-bala iray an’ny zandarimaria rehefa nodoran’ny mpanao fihetsiketsehana teo Anosy, afakomaly. Nokasain’ireo tanora havadika io fiara io saingy tsy zakan’izy ireo ka nodorany.

Partager sur: