Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny hoe hanaisorana izay isa azony tamin’ny fandreseny ny ekipa farany ao amin’ny vondrona misy azy ireo firenena isam-bondrona. Voakasika anatin’izany ny Barea, andrasana ny fanambaran’ny Caf.
Rehefa nivoaka ny vaovao, ny faran’ny herinandro teo, niala tsy nifanintsana tao amin’ny fiadian-toerana hiakarana any amin’ny amboara maneran-tany i Erythrée. Araka izany, mandeha ny resaka fa mety hiala isa enina ny azon’ny Barean’i Madagasikara tamin’ny nandreseny an’i Tchad, farany ao amin’ny vondrona misy azy. Ireo firenena ahitana ekipa miisa enina isam-bondrona no voakasik’izany. Raha ny fanadihadiana natao omaly, tamin-dRazafimamonjy Fenosoa, Malagasy mpamakafakafa baolina kitra, azon’ny kaonfederasiona afrikanina ampiharina tsara izany, araka ny làlana.
« Efa tany amin’ny 14 marsa 2025, namoaka ilay làlana ny Caf, midika izany fa azo atao tsara ary heverina hihatra izany. Maro ny manadino ny fisiany, saingy ny vokatra amin’i Mali sy ny lalaon’ireo ekipa hafa no hamaritra ny toerana misy ny ekipa nasionaly malagasy», hoy Razafimamonjy Fenosoa.
Raha ny fanazavana nataony, miisa enina eo ireo iray vondrona « I », misy an’i Madagasikara, ka tsy atao mahagaga raha iharan’io fepetra io ny Barea. Anton’izany ny hampisy fitovian’ny ekipa rehetra mifanintsana amin’ity ady tapakilan’ny Mondial 2026 ity.

Tsara ny ezaka vitan’ny Barea
Na inona na inona vokatra, nilaza ity mpamakafakafa baolina kitra ity fa tsara ny ezaka vitan’ny Barea tamin’ity fifanintsanana iraisam-pirenena ity. Nomarihiny fa nampiseho ny maha izy azy ireo Malagasy mpilalao na tsy teto an-toerana mihitsy aza no nanao izany, noho ny tsy fahazoana fankatoavana avy amin’ny Caf.
« Nanampy betsaka izao vokatra izao ny fahatongavan’i Corentin Martins, mpanazatra Barea, izay nitondra aim-baovao sy taktika vaovao, azo heverina fa tokony hotohizana mba hahafahana miverina ho anisan’ireo 24 voalohany aty Afrika. Ary koa ho tafita hiatrika ny Can 2027 », hoy ny nambarany.
Mitombo ny traikefa an’i Rado
Anisan’ireo mpilalao efa mahazo fahatokisana tsara amin’ny mpanazatra Corentin Martins, i Rado, vodilaharana havanana Barea, izay milalao ao amin’ny klioban’ny AS Fanalamanga, diviziona voalohany eto Madagasikara. Raha ny fahitan’i Fenosoa azy, mitombo amin’ny alalan’ny lalao atao ihany ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’ny tsirairay.
Raha ny filazany, afaka mandray anjara amin’ny fahombiazan’ny ekipa ihany ireo Malagasy avy eto an-toerana, saingy, tsy feno ilay fanamafisana teknika sy taktika vaovao na « mise à jour technico-tactique », izay miampita any amin’ny mpilalao. « Efa somary ambony mantsy ny lenta amin’ny sehatra matihanina toy ny Can sy ny Mondial tahaka izao. » tenin’i R. Fenosoa ihany. Maniry moa ity mpandinika baolina kitra ity ny mba hitohizan’ny fifampizarana traikefa ataon’ny Coach Corentin Martins. Tsara ny mampahafantatra fa efa nilalao tao amin’ny klioba Ajesaia, Razafimamonjy Fenosoa, ary efa nahazo ny diplaoma momba ny fanatanjahantena.
Nifandona, omaly alina, moa ny ekipam-pirenen’i Mali sy i Madagasikara, tao amin’ny Kianjan’ny 26 Mars, tao Bamako, Mali, ary miankina amin’io ny lalan’ny Barea, mandritra ity fifanintsanana ity, raha hiatrika lalao sakana izy na tsia.
Fitia Randria




