Tsy ampy ny paramedy sy ny internes mikarakara ny marary. Izy ireo anefa no tena mandray an-tanana ny fitsaboana sy tena akaikin’ireo mpila raharaha eny. Miato ny fandraisana marary ao amin’ny CHUGO Befelatanana.
Nitsotra ny zava-misy marina ny mpitantana ny Centre hospitalier universitaire de Gynécologie obstétrique de Befelatanana (CHUGOB) na ny hopitaly fiterahana eo Befelatanana, araka ny fahaizan’ny maro azy.
Tsy mandray marary vaovao intsony ny hopitaly nanomboka ny faran’ny herinandro teo. Any amin’ny hopitaly hafa manodidina no mandray marary fa izy ireo tsy afaka manao izany intsony noho ny tsy fahampian’ny mpiasan’ny fahasalamana mandray an-tanana.
Efa nisy ny resaka nifanaovan’ny tomponandraikitra tamin’ireo marary mbola tsaboina ao mahakasika ny zava-misy. Eo koa ny fandaminana iarahana amin’ny toeram-pitsaboana hafa manodidina mba handraisan’izy ireny ny marary mila manohy fitsaboana.
Niangavy ireo tobim-pitsaboana eny amin’ny manodidina mba tsy handefa marary ao amin’ny CHUGOB intsony aloha ny tomponandraikitra mandra-pahatonga ny fandaminana vaovao.
Miverina mandray marary kosa ny hopitaly raha vao feno ny fepetra farafahakeliny ilaina hampihodina azy ho fitsinjovana ny marary sy ny mpiara-miasa.
Marihina fa efa nanao fanambarana ireo paramedy fa tsy afaka ny hanohy ny asany noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana eo amin’ny fanatanterahana ny asany sy ny toeram-piasana. Eo koa ny tsy fisian’ireo mpiara-miasa hafa (internes, internes qualifiants) hikarakara ny marary.
Tsy maintsy niroso amin’ ny fanapahan-kevitra ny hampiato ny fandraisana marary, araka izany ny hopitaly, noho ireo antony ireo.
Hatry ny faran’ny herinandro teo, niveri-maina ireo marary sy mpanara-maso ny vohoaka mikasa hiteraka ao amin’ny hopitaly fiterahana Befelatanana. Tao koa anefa ireo nisafidy avy hatrany ny hifindra amin’ny hopitaly hafa, taorian’ireo herisetra niseholany teny an-toerana.
Tatiana A




