Manao antso avo ireo vehivavy malagasy mpitarika ho amin’ ny fandriampahalemana, fanelanelanana ary ny fandraisan’ anjara ny rehetra amin’ny fitantanana.
Manolotra soso-kevitra amin’ny fanokafana sehatra ifampiresahana izay iraisan’ny hery politika, ny fiarahamonim-pirenena sy ny tanora ary ny antokom-pivavahana ireo vehivavy mpandraharaha.
Ireo vehivavy manana traikefa amin’ny fanelanelanana dia vonona ny handray anjara amin’izany ary hamafisina ny fitakiana ny fandraisana anjara marina sy mitovy lenta ho an’ny vehivavy amin’ny dingana rehetra hivoahana amin’ny krizy.
Tokony hatsangana ny sampana fanaraha-maso misahana ny fampiharana ny demokrasia sy ny fandriampahalemana ho an’ny vehivavy mba hiantohana ny mangarahara sy ny fitohizan’ny fandraisan’andraikiny. Nanamafy izy ireo fa ny fisorohana ny ady sy ny famerenana indray ny filaminana dia mitaky ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy amin’ny ambaratonga rehetra.
Tatiana A




