Ambaratonga voalohany : Mbola miato ny fampianarana

Herinandro fahatelo amin’ ny savorovoro miseho eto an-dRenivohitra izao, misedra olana ny fampianarana, indrindra ho an’ireo sekoly manakaiky ny toerana misy ny fihe­tsiketsehana. Efa niverina tapak’andro ny fandraisana ny mpianatra ny herinandro lasa teo, araka ny lamina niarahan’ ny mpanabe sy ny mpitantana sy sekoly ary ny ray aman-dreny. Tsy misy olana ireo monina manodidina ny toeram-pianarana fa ireo mody lavitra mampiasa ny taxi-be no sahirana amin’ny hariva.

Ireo any amin’ny ambaratonga fototra (EPP) nahazo filazana amin’ny fampiatoana ny fampianarana ato anatin’ny Cisco Antananarivo Renivo­hitra, tsy mbola nanohy ny asa aloha hatramin’ny omaly. “Miandry filazana mazava avy amin’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena izahay tale vao hanokatra ny varavaran’ ny sekoly”, hoy ny tale iray. Tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny fandaharam-piana­rana ny fanapahana nandritra ny tapa-bolana fa anjaran’ny tale sy ny mpanabe no mametraka lamina hanatrarana ny banga rehefa miverina amin’ ny laoniny ny asa.
Isorohana ny fodiana ha­riva, ora iray (hisakafoan’ny kilonga any an-tsekoly) ihany no miato ny fampianaraan isan’andro ka mirava amin’ny 3 ora ny mpianatra ho an’ny sekoly tsy miankina sasany. Ampitondraina sakafo ny an­kizy vokatr’izay.

Vonjy

Partager sur: