Hisy ny fampiofanana natokana ho an’ny Malagasy misehatra amin’ny taranja volley-ball, ny 18 hatramin’ny 21 novambra izao. Fampiofanana ho mpanazatra izay eo ambany fiahian’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny volley-ball sy ny Federasionina malagasy ary ny ligy Matsiatra Ambony no hotanterahina any Fianarantsoa. Tanjona ny hampandroso io taranja io ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony sy ny any amin’ ny tapany atsimon’ny Nosy. Araka izany, mpilalao sy mpisehatra eo amin’ity taranja ity no antsoina hiatrika izao fampiofanana izao. Izay 40 tonga misoratra anarana voalohany no hiatrika izany, araka ny fanazavan’ny mpikarakara. Tsy maintsy mandefa solontena avokoa anefa ireo ekipa rehetra ara-
dalàna hanaraka ny fiofanana. Misy ny fepetra, ka izay 18 taona no mihoatra no afaka miofana ho mpanazatra. Ny 20 oktobra izao kosa ny daty farany handraisana ny anaran’izay maniry ny hiofana ka hitondra fampivoarana ho an’ity taranja ity.
Mi.Raz




