Manify tanteraka ny fanantenana, raha tsy misy ny fiovana farany. Andrasana anio ny vaovao ofisialy avoakan’ny Caf mahakasika ilay tranga milaza fa mety hihena ny isan’ ny Barean’i Madagasikara sy ireo firenena hafa, manana vondrona enina, amin’ity fifanintsanana Mondial 2026 ity. Tsy ambony intsony moa ny herijika ho an’ny ekipa nasionaly malagasy amin’ity ady tapakila hiakarana amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ity.
Raha mihatra ilay lalana navoakan’ny Fifa, tsy anisan’ ireo firenena hiatrika ny lalao sakana ho an’ireo ekipa efatra nahazo ny laharana faharoa tsara indrindra intsony ny Malagasy mpilalao. Raha tsy mihatra kosa izany, mbola hiankina amin’ny vokatra azon’ny firenena hafa, toa an’i Cameroun, ny dian’ny Barea. Tsara ny mampahatsiahy fa lavon’ny Aigle de Mali, tamin’ ny isa mavesatra 4 no ho 1, ny Barean’i Madagasikara, afakomaly, tany Bamako, Mali. Na dia resy aza ny ekipa nasionaly malagasy, azo lazaina fa nahavita dingana tsara ihany izy ireo. Mitana ny laharana faharoa tao amin’ny sokajy nisy azy, izay nahitana an’i Ghana, Mali, Centrafrique, Comores, i Tchad, izy.
I Ghana aloha no solontenan’ny vondrona “I”, any amin’ ny fiadiana ny amboara maneran-tany 2026, izay tanterahina any Meksika, Etazonia, ary i Canada. Andrasana indray ny laharana azon’ ny Barea ao amin’ny Fifa, taorian’iny fifanintsanana Mondial 2026 iny. Ho fantatra ny 23 oktobra ho avy io izany, ary ampahatsiahivina ihany fa eo amin’ny faha-108 ny Barea ankehitriny.
Fitia Randria




